Ambohimanarina : Mpamongady rongony miisa 4 naiditra am-ponja

13 mianadahy, mpikambana anaty tambajotra mpivarotra rongony eny Ambohima­narina, boriborintany fahenina, nosamborin’ny zandary ka naiditra am-ponja eny Antani­mora, omaly. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana toerana fitobiana sady famarotana zava-mahadomelina ao amin’ny fokontany Ambohimanarina ny zandarimariam-pirenena. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana izy ireo taorian’ny fahazoana alalana avy amin’ny fitsarana hanao ny fisavana. Niara-niasa nanatontosa io hetsika manokana io ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra Tana Ville sy ny vondron-tobim-paritra. Mpamon­gady miisa efatra tratra tamin’io fotoana io. Ankoatra izay, mpaninjara sy mpividy miisa sivy niaraka voasambotra. Tra-tehaka teo am-pikirakirana io karazan-java-mahadomelina io avokoa ireo olona 13 ireo. Nahatrarana rongony 35 kg ireto farany. Voatsinjara anaty fonosana ny ampahany tamin’ ireo. Nentina natao famotorana avokoa ireo mpivarotra sy mpidoroka. Natolotra ny fampanoavana ary niafara amin’ny fihazonana azy ireo am-ponja. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Raha tsiahivina, matetika mahatratra mpivarotra rongony eny Ambohi­manarina sy ny manodidina ny mpitandro filaminana, saingy tsy hita hatrany ireo tena atidoha. Mitohy ny famongorana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: