TSELATRA

Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza dimy taona, tany amin’ny fokontany Ambalatenina, kaominina Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alin’ny 12 janoary 2026 lasa teo izy ireo. Voasambotra ny 09 febroary 2026 teo, tao amin’ny kaominina Beraketa, faritra Androy, izy ireo, taorian’ny fikarohana. Avotra soa aman-tsara ilay zaza ny 18 febroary 2026.
Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP4 Isotry, ny 04 marsa 2026 lasa teo. Avy nangalatra sy nanao sinto-mahery kavina volamena teny amin’ny sofina vehivavy iray izy. Nenjehina ity olon-dratsy ary tratra. Tratra teny aminy tokoa ny kavina volamena roa milanja efatra grama. Mbola karohina ilay namany tafaporitsaka tany anelakelan-trano.

Partager sur: