Tao anatin’ny andro vitsivitsy, nalaza teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny resaka tontolo iainana. Nisy ny ady amin’ny trafika sy ny tantely afa-drakotra ny harena voajanahary. Maro ny filazana etsy sy eroa amin’ny tsy fahampian’ny olona miasa na miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manginy fotsiny ny resabe mandeha amin’ny endri-pandikan-dalàna isan-tokajiny.
Niavaka sy nisongadina kosa anefa ny fijery miabo avy amin’ny kolonely “béret maitso”, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, izay nanamafy ny anjara toeran’ny tontolo iainana ao anatin’ny ady amin’ny fahantrana. Nilaza izy fa tena fanoitra hialana amin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahaizana mitrandraka izany. Teboka iray na sehatra iray ilana fijerena akaiky tokoa!
Raha ny eto Madagasikara, tena mampiaiky volana ny olon-drehetra maneran-tany ny harena voajanahary, na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany. Manana maro tokoa ilay lazaina fa Nosy mena. Mitobaka eny amin’ny “tsena iraisam-pirenena” ny entana. Mifamezivezy eny ana habakabaka ny sidina, mitety tany etsy sy eroa. Ny tena mahafinaritra dia ny fahitana fa misokatra amin’ny sidina amin’ny firenen-kafa ilay Madagasikara.
Raha ny zava-misy eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, matetika ny sidina manokana mivoaka miditra. Porofon’ny fivelarana sy ny fanokafana ny seha-pihariana amin’ny firenena hafa na vondrona hafa, eny na ny mpandraharaha izany. Tsy raisina amin’ny fijery mitanilan’ny mpanohitra akory, fa amin’ny fandraisan-javatra tsara sy mikatsaka ny soa iombonana sy mahakasika ny besinimaro.
Raha ny fijery mandeha ila no iompanan’ny fandinihana ilay zava-miseho sy zava-misy dia tsy mahagaga raha mivaona any amin’ny fifankahalana sy fifanenjehana an-jambany ilay izy.
r.r




