FANTINA sy FINTINA

Mila mailo ny fitondram-panjakana manoloana ireo fikambanana maro mitonona ho Gen Z, araka ny nambaran’ny tanora MMM, Ratavilahy Andry. Nohitsiny fa nisy tokoa ireo tena nitolona fa ao kosa ireo tsy nanao izany. « Tokony hisy sehatra hahafahan’ny fitondram-panjakana mihaino ireo tanora vonona hampandroso ny firenena », hoy izy.
Tokony ho sazina avokoa ireo nanao ny tsy mety, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. « Manome vahana ny tsimatimanota ny famelana ho afa-maina ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha nanao ny tsy nety ka mila hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna », hoy izy.
Nilatsaka ny naoty fanesorana an-dRazafin­dravahy Edgard tsy ho sekretera jeneralin’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Nison­gadina tamin’ny vaovao navoakan’ny gazety Maori­siani­na, Lexpress.mu. Tsiahivina fa nisahana izany andraikitra izany nanomboka ny jolay 2024 ny tenany, rehefa voatendrin’ireo minisitra eo anivon’ny COI.
Niaiky ny solontenan’ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomukunda, fa mandroso ny Fanavaozana ny Repoblika. Namba­rany ho anisan’izany ny fandraisana an-tanana ny fitakian’ny vahoaka. Eo koa ireo fanavaozana efa an-dalana amin’izao fotoana izao, eo amin’ny ara-panjaka­na, araka ny nambarany.

Partager sur: