Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy nangalatra lakolosim-piangonana tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, afakomaly.
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo valo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana lakolosim-piangonana, FJKM Ankadindravola, fokontany Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Lasan’ny olon-dratsy ny lakolosy lehibe iray. Naharay fitarainana momba io tranga io ny ekipan’ ny zandary. Olona miisa valo voasaringotra izay tsy lavitra ny toerana nisian’ny fangalarana. Natao famotorana ireo olona ireo ka nitoroka ny namany. Niitatra ny fikarohana ka fantatra fa misy amin’ireo jiolahy monina ao Andraisoro, boriborintany fahadimy, kaominina Antananarivo Renivohitra. Raikitra ny fisamborana ireo efa-dahy voatonona anarana tamin’ izany. Tafakatra fito ireo voasaringotra.
Mpanome vaovao
Ankoatra ireo olona fito voasambotra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandarimaria eo anivon’ny kaompania Tana Ville, olona iray hafa voasambotra. Tsy nandray anjara mivantana tamin’ ilay fangalarana ity olona ity. Voalaza ho tompon’antoka sy mpanome ny loharanom-baovao rehetra nahafahan’ireo olon-dratsy naka io fananan’ ny fiangonana io ity farany. Niaraka natao famotorana teny anivon’ny zandarimaria ireo olona valo ireo. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Naverina amin’ ny fiangonana ny lakolosy. Nogiazana kosa ireo fitaovana rehetra sarona teny amin’ireo jiolahy.
Tsiferana R.




