Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, Ambohidrabiby, afakomaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valery. Taorian’ny nivoahan’ny didy fanapahana laharana 01-HCC/D2, tamin’ny 03 marsa 2026, izay navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly. Nohenoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha, ny tenany ary izao nalefa any am-ponja izao. Vesatra hiampangana azy ny resaka fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly ary ny famotsiam-bola teo anivon’ny minisitera notantaniny. Nohenjehina mahakasika ny raharaha Boeing 777 izay nisy nampiasa sy nitondra antsokotsoko tany Iran, nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, koa izy.
Nanambara ny eo anivon’ny Pac, tamin’ny alalan’ny Tonia mpampanoa lalàna mpisolo toerana fa mbola mitohy hatramin’izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitsara mpanao famotorana momba ity raharaha ity.
Tsiahivina fa nahemotra ny alakamisy 05 marsa 2026 lasa teo ny fivoriana na fakana am-bavany azy.
Mino




