Nitokona sady nandoro kodiarana ny mponina teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mampitohy an’Ivato, omaly maraina. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hisorohana ny loza isan’andro amin’iny lalana iny izy ireo.
Lehilahy mpanao sinto-mahery nosamborin’ ny polisy teny Ambodin’Isotry, afakomaly. Kavina volamena teny an-tsofin’olona nandalo no nalain’io lehilahy io. Tratra taorian’ny fanenjehana azy izy.




