Nahafa-po ny dia teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny 27 febroary ary nifarana omaly, araka ny nambaran’ny filohan’i Malawi teo aloha, Dr Joyce Banda, nitarika ny delegasionin’ny komitin’ny olon-kendry avy amin’ny Sadc. Nihaona tamin’ny minisiteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin’ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo izy ireo, afakomaly. Tamin’izany no nitondrany tatitra momba ny iraka nampanaovina azy. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ireo vokatra azo ny namoahan’ny fitondrana Fanavaozana ny fandaharanasam-panjakana. Maniry izy ireo ny hanapariahana ny antontan-kevitra ho an’ny Malagasy rehetra. Nihaona tamin’ny ankolafin-kery maro izy ireo tamin’ny diany. Teo ny fikambanam-behivavy, fikambanana tanora, antoko politika, fiarahamonina sivily, ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny teo anivon’ny Antenimierampirenena, ny FFKM.
Na izany aza, misy ireo mbola tsy mahazo tsara na tsy mankasitraka ny votoatin’ny tondrozotra. Nefa vonona ny handray anjara amin’ny dingana rehetra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireny. Nanamafy ny Dr Joyce Banda fa tsy hanery na hilaza izay tokony hatao no anton-diany eto Madagasikara fa mpanara-maso ny asa ho an’ny fanavaozana fotsiny ihany. Iray ihany ny tanjona, ny ady amin’ny fahantrana. Firenena manan-karena i Madagasikara ka tsy tokony hahantra ny vahoaka ao aminy. Toa an’i Malawi ihany. Aorian’izao dian’ny iraka izao, hoentina eo anivon’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny tatitry ny delegasionina. Ary aorian’izay, hisy ny iraka teknika ho tonga eto Madagasikara.
R. Nd.




