Hisy ny fiofanana mamelona tantara an’onjampeo. Hizara ny traikefany amin’izany i Christophe Rabearimanana, iray amin’ireo kalaza amin’izao fotoana. Etsy amin’ny Tahala Rarihasina no hanaovana azy ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora hatramin’ny 4 ora hariva, hitohy amin’ny heriny. Ny Faribolana Sandratra izay ivondronana mpisehatra amina tantara an’onjampeo maro no mikarakara ny fiofanana. Tanjona amin’izany ny hahamaro ireo mpisehatra mba hampiaina bebe kokoa ity zavakanto anisan’ny be mpankafy indrindra eto Madagasikara ity.
Hiatrika « Atrikefa bagasy iray fiomanana» misesy ny sehatra bagasy, mialoha ilay fandraisam-peo lehibe. Fantatra fa hanatanteraka ireo fiomanana hahatonga izany ho kanto ity Sehatra ity. Anio sy amin’ny sabotsy 14 marsa, samy ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola no hanatanterahina izany. Rehefa feno telo ny famerenana lehibe tahaka izao, hirosoana amin’izay ny fandraisam-peo.
Naidina ny saram-pitsidihana ny Rovan’Antananarivo. Izay ny vaovao nambaran’ny tomponandraikitra misahana ity toerana ity, omaly. Natao 2 000 Ar ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona ary 5 000 Ar ho an’ny lehibe. 40 000 Ar kosa ho an’ny teratany vahiny. Tafiditra anatin’izany ny saram-pitarihana ka tsy tokony hisy vola hafa aloa intsony amin’ireo mpitaridia. Tsy nahazoam-baovao kosa ny mahakasika ny hoe fandrodanana na tsia ny Kianja Masoandro.
Hanafana ny tapany voalohany amin’ny fampisehoan’i Gazo sy La Fouine i Zakai. Izy no Malagasy mpanakanto voafidy tanatin’ny maro homena sehatra mandritra ity seho goavana izay hotontosaina ny zoma 10 avrily, etsy amin’ny Kianjan’i Mahamasina, ity. Mpanao rap ihany koa izy, ka tena fampisehoana rap zato isan-jato, araka izany, no hitranga. Tsiahivina fa samy hanolotra fampisehoana feno sy miavaka La Fouine sy i Gazo aorian’izay.




