Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny toerana maro, nandritra ny sabotsy sy alahady lasa teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny samy kodiaran-droa, nisy koa ny mpandeha an-tongotra voafaokan’ny fiara. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy nandritra izany. Olona roa naratra mafy.
Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho tamin’iny faran’ny henindrano iny, raha ny zava-nisy. Ankizilahy tokony ho 10 taona voafaokan’ny fiara 4×4 iray teny amin’ny digue Ambohitrimanjaka, omaly hariva. « Teo am-piampitana arabe izy no voadonan’ny fiara ka naratra mafy. Nivoa-dra ny lohany ary atahorana mafy ny ainy », hoy ireo nanatri-maso. Nitondra azy any amin’ny hopitaly ilay fiara nahavanon-doza. Ankoatra izay, tovolahy kely iray, tokony ho 14 taona, voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana, teny Anosy Avaratra ny sabotsy atoandro. Vao avy niala fiara fitateram-bahoaka ity ankizy ity no tra-doza. Nandeha fiara fitateram-bahoaka iray izy sy ny namany iray ary niala teo amin’ny arrêt Tsimoka Anosy Avaratra. Niampita avy hatrany izy roa lahy kely vantany vao avy niala saingy voadonan’ny fiara. Voafaokan’io fiara io ny iray tamin’izy roa lahy, raha toa ka tafita ny arabe soamantsara ny namany. Nitsirara tamin’ny arabe ilay niharan-doza ary torana tsy nahatsiaro tena. Novonjena haingana tany amin’ ny hopitaly Anosy Avaratra ary nalefa tany amin’ny HJRA Ampefiloha izy taorian’ny loza.
Kodiaran-droa miisa roa ihany koa nifandona tetsy Tanjombato, ny sabotsy atoandro teo. Maty tsy tra-drano, vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, tamin’izy ireo. Tetsy ankilany, vehivavy iray, hafa, maty voafaokan’ny fiara iray tetsy Iavoloha, afakomaly atoandro ihany. Nikasa hiampita ny arabe izy io no voafoakan’ny fiara. Niandraikitra ny fanadihadiana ireo tranga roa ireo ny polisy avy amin’ ny kaomisaria Tanjombato.
Mpitondra moto iray voahitsaky ny kamio
Ankoatra izay, namoa-doza ihany koa ny lalam-pirenena fahafito iny, omaly. Lehilahy iray tokony ho 40 taona, maty voahitsaky ny fiara be mpitatitra entana teny Ihazolava. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny olona nanatri-maso ny loza, niala lavaka tamin’ny lalana io mpitondra kodiaran-droa io ka voadona sy voahitsaky ny kodiarana havanan’ny fiara. Vokany, vaky ny lohany ary maty tsy tra-drano ity farany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandarimariam-pirenena avy ao Ambatolampy. Fantatra fa avy aty Antananarivo ary monina eny Itaosy ity lehilahy niharam-boina ity. Nikasa ho any Ambatolampy ny tenany saingy tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny an-dalana. Efa notanana natao andri-maso eny anivon’ny zandary moa ny mpamily nitondra ilay kamio, taorian’ny loza. Manentana ny olom-pirenena tsirairay hatrany ny mpitandro filaminana mba hitandrina sy handeha mora eny amin’ny lalana. Entanina ihany koa ny rehetra mba hianatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Mino




