Nisandoka polisy : Lehilahy iray voasambotra

Lehilahy iray voasambotry ny olisim-pirenena miasa ao amin’ ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 marsa 2026 lasa teo. Enjehina noho ny fisandohana andraikitra ho polisy sy fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana izy io, raha ny fanazavana voaray.
‎Manara-dia miafina ireo olona mandeha mankany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana manokana. Maka sary miafina ireo olona izy ary mandrahona ny hanaparitaka izany raha tsy omena vola avy eo. Ankoatra izay, mbola misandoka ho Polisim-pirenena ihany koa ity olon-dratsy ity.
Noho ny fandrahonan’ity lehilahy ity ireo olona azony sary miafina, maro ny nametraka fitoriana sy fitarainana eny anivon’ ny Polisim-pirenena ao amin’ny komisaria CSP8 Analamahitsy sy ny eny amin’ny SUT Tsaralalàna. Natao ny fikarohana ary voasambotra ity farany. Notanana natao andrimaso sy nanokafana fanadihadiana izy. Ankoatra ny olon-tsotra, efa misy koa ny solombavahoaka lasibatra tamin’ny asa ratsy nataon’ity farany.

Mino

Partager sur: