Akany Avoko Faravohitra : Norobain’ny olon-dratsy

Nisy nanafika, afakomaly, tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina, ny akany Avoko etsy Faravohitra. Tsy misy tamboho ny Akany amin’izao fotoana izao, fa fefy goailaka no na­taon’ny tomponandraikitra hiarovana izany. Niditra tamin’ny alalan’izany ireo olon-dratsy ka nandroba ny entana sasany teo an-tokotany. Anisan’ny voaroba tamin’izany, ny varavaran’ny efitrano fandraisana ny ankizy, sy ireo varavaran’ny toeram-pivoahana rehetra teny ivelany. Nikasa hiditra tao amin’ny trano izy ireo saingy nalaky niantso vonjy ny olona tao anaty trano. Nampandresina mahakasika ny zava-nitranga ny polisim-pirenena ka tonga ara-potoana. Tafatsoaka avokoa moa ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsy sy nandroba io toerana fandraisana ankizy sahirana io, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany, ny entana maromaro tao amin’ny akany. « Anisan’ny ravan’ny rivodoza Fytia nandalo teto amin’ny Nosy ny fefy niaro io toerana io, ka voatery nanao fefy goailaka ny tomponandraikitra », hoy Rakotonandrasana Mendrikandrianina, talen’ny Akany Iavoko etsy Faravohitra. Mora ny nahatafidiran’ireo olon-dratsy tao an-toerana, noho izany. Norobain’ireo olon-dratsy koa ny trano nifanila vodirin­drina amin’izy ireo.
Manoloana izany, manga­taka tolo-tanana amin’ny tsara sitrapo sy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny tomponandraikitry ny Akany. Mba hahafahana manarina sy ma­natsara ny zavatra simban’ny rivodoza sy lasan’ireo olon-dratsy. Tanjona ny hiarovana ny fandraisana ny ankizy ao an-toerana.

Mino

Partager sur: