Ny filohan’ny RDS, Andrianirina Fetison : « Tsy fanovana anarana fotsiny ny fanavaozana »

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy sosialy (RDS), Rakoto Andri­anirina Fetison. Anisan’ny noresahany ny momba ireo dingana hirosoana ato ho ato. « Tsy fanovana anarana na rafitra fotsiny ny fanavaozana. Ilaina ny fananganana fitokisana vaovao eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa taranaka maro teto Madagasikara no nandova krizy tsy nofidiny akory ka manana adidin’ny rehetra ny mamarana izany. Nanteriny fa ny fanavaozana mampiray no tokony hirosoana. « Tsy ny mampisaraka no tanjona ho tratrarintsika miaraka ary ho an’ny tanindrazana sy ny tombontsoan’ny firenena no antony hanehoana izany », hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa efa nivoaka iny ny fandaharanasan’ny fa­na­vaozana. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny firenena izany. Fanombohana ny te­tian­dro. Na izany aza, nambarany fa ilaina ny fahatokisana apetraka sy ny fahamarinan’ny fizotran-draharaha mba tsy ho ny halavan’ny fe-potoana no hametra ny fahombiazana, araka ny nambarany hatrany.
Notakiany fa tokony hazava ny fe-potoana amin’izany fandaharanasan’ny fanavaozana sy ny fanajana azy. Mba mahaleo tena ny rafitra manatanteraka sy manara-maso. « Tena misokatra sy tsy voafetra mialoha ny fihaonambem-pirenena ary mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika ny tetiandrom-pifidianana, mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mandray anjara », hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: