Trano Kolotoraly Malagasy: Nodimandry Randrianjatovo Henri

Maro ireo nahita soa avy aminy na teto an-tanindrazana na ny any ivelany. Ran­drianjatovo Henri, iray amin’ireo oloben’ny fahalalana ara-panahy no tsy eo intsony.

Sabotsy 7 marsa 2026, nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany, Ran­drianjatovo Henri filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Sehatra maro no nahafanta­rana azy. Goavana indrindra tamin’izany ny tontolo ara-panahy, ny kolontsaina sy ny zavakanto, ary ny fitsaboana, izay nifototra bebe kokoa tamin’ny maha izy ny Mala­gasy sy ny fanahy no olona ary ny fahalalana iraisam-pirenena mifandraika amin’ireo (Tradipraticien, astrologue, medecine de l’habitat).
Taona 2010, Randrianja­tovo Henri sy ireo mpikamban’ ny Trano Kolotoraly Malagasy, namany, no namorona ny anarana « Taombaovao Mala­gasy » hiantsoana ny fomba amam-panao ankalazaina sy tanterahina isan-taona amin’ ny tsinambolan’ny fararano (marsa-avrily). « Taombaovao » ho an’ny Malagasy rehetra tsy anavahana finoana, na fihaviana, na saranga… Marihina fa, amin’izay maha fomba azy izay. Efa fanaon’ny Malagasy isan-taona ny mankalaza ny tsinambolan’ny fararano araka ny voarakitry ny boky « Hi­stoire de la grande isle Mada­gascar » (pejy 173 sy 177).
Ankoatra izay famohazana sy fivoizana ny Taombaovao amin’ny tsinambolan’ny fararano izay. Mpanandro sy mpanotra ihany koa Randrian­jatovo Henri. Nanoratra tononkalo miompana amina lohahevitra samihafa izy. Radio sy gazety maro no nentiny nizara nampahafantarana ny fanandroana sy ny fomba amam-panao malagasy. Anisan’ireny ny Radio sy ny Gazety Feon’ Imerina, ny Gazety Taratra, sns. Anio, no hametrahana ny nofomangatsiakany eny amin’ ny fasan-drazany eny Mora­rano Idilana (Talata Volonon­dry).
Mirary fiononana feno sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: