Seho nahasarika olona maro ! Tafiditra anisan’ny seho fanombohana ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika no hoenti-manampy ireo traboina sy sahirana noho ny fandalovan’ny rivodoza tany Toamasina. Feno tanteraka ny P1 etsy amin’ny Kianjan’ Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana notanterahin’ny tarika AmbondronA. Jery ankapobeny, tsara fanombohana ireo hetsika na fampisehoana hotanterahin’ity tarika manana ny lazany ity, hatrany amin’ny taona 2027.
Ankoatra ny maha fampisehoana rindrankira an-tsehatra ny tetsy Imahamasina. Tsapa teny an-toerana ilay hafanana sy finiavana tao anatin’ny mpijery tsirairay hanampy ireo mpiray tanindrazana any Toamasina. Nampiray hina ny Malagasy ny tarika AmbondronA. Seho nahatarafana fa ao amin’ny Malagasy hatrany ilay fifanampiana rehefa tojo fahasahiranana. Nahafahana naneho ihany koa fa vitan’ny mpanakanto antsakany sy andavany ny mamerina ny soatoavina malagasy rehefa tafapaka any
amin’ny « mpanjifa » ka mambabo azy ireo ny kanto ataony (mpanakanto).
HaRy Razafindrakoto




