Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: tsy nandefa hafatra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ka nampilaza olona fa nahazo vola ho tosika fameno avy aminy. Vaovao tsy marina izany ary melohina tanteraka. Efa am-perinasa ireo sampana ara-pitsarana manao famotorana hahafantarana ireo olona nahavanona ny fisolokiana.
Ny jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana no notendren’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ho mpandrindra ny Vondrona fanarenana ny tanànan’i Toamasina manomboka izao. Izy no hitarika sy hanamafy ny fanaraha-maso ny asa rehetra amin’ny fanarenana sy fanatsarana ao Toamasina, taorian’ny fahavaozana noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani.
Natao tao amin’ny Eniap Antsirabe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim- pirenena, Faritra Vakinankaratra. Nodinihina tamin’izany izay fomba hanatsarana ny asan’ny mpitandro filaminana. Eo koa ny fanamafisana ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina andavanandro. Nisy ny fakan-kevitra hamolavolana paikady vaovao hahazoan’izy ireo mamaly bebe kokoa ny filan’ny vahoaka sy izay andrasan’ny fanjakana.




