Voasambotry ny polisy miasa eny Soavina, ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny olona miisa telo. Tratra nanosika sy nangalatra moto halatra iray teny Ambodirano Soavina izy ireo. Lehilahy roa sy vehivavy iray no tsikaritra nanosika moto, nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka nosavaina avy hatrany. Natao ny fisavana, tsy nahitana taratasy milaza ny fanamarinana ny maha tompony izany teny amin’ireto farany.
Nosamborina izy ireo ary noentina teny anivon’ny biraon’ny polisy eny Soavina avy hatrany izy rehetra. Nihaiky ny heloka nataony ireo olana telo, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nangalarina ny kodiaran-droa saingy tsy fantatra kosa ny tompony, raha ny fanazavana voaray ihany.
Ankoatra izay, nisy vehivavy iray tonga nanao fitarainana teny anivon’ny polisy, ny alahady 09 marsa 2026 lasa teo. Nambarany tamin’izany fa nisy nangalatra tao amin’ny Jovenna Anosizato, ny zoma teo, ny kodiaran-droany. Natao ny fanamarinana ny taratasy rehetra mahakasika izany, fantatra fa an’ity lehilahy ity ilay moto hita tany amin’ireo olona telo voasambotra ireo.
Nomena ny tompony izay monina ao Ambohimangakely, io moto io taorian’izay. Fantatra fa monina eny Ambodirano Soavina sy Anosizato Antsinanana ireo olona telo voasambotra tamin’ity halatra moto ity.
Mino




