TSELATRA

Nidina an-dalambe nanao fitokonana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatra Ankatso, omaly. Tsy nanaiky ny fifanarahana sy mangataka ny fialan’ny talen’ny Croua ny anton’ny fitakiana. Tsy nisy ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana ny hetsika. An­drasana ny tohin’ny raharaha.
Vehivavy iray, manodidina ny 40 taona, maty an-drano, tao Antanifotsy, omaly. Mbola hita teny aminy avokoa ny akanjo nanaovany, sy ny karapanondrony ary sarim-behivavy maromaro. Monina any Ambohiman­dro­so ihany ity vehivavy hita faty ity, raha ny karapanondrony.
Naiditra am-ponja vonjimaika, ny zoma lasa teo, ilay tovolahy namono nahafaty ny sakaizany teny Analamahitsy. Voarakitra tao amin’ny camera de surveillance teny an-toerana ny horonantsary nandritra ny fotoana namonoany ilay vehivavy. Tsiahivina fa notereny hanala zaza io vehivavy sipany io, ka notaperiny ny ainy, rehefa tsy nanaiky. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha mandra-piakany eny anivon’ny fitsarana.
Olona roa vosambotra noho ny fivarotana rongony tany Toamasina, ny 06 marsa 2026 lasa teo. Tafiditra tao anatin’ny hetsika “Mahomby” no nahazahoana izao vokatra izao. Sarona teny amin’izy ireo ny rongony 185 fonosana sy harona roa feno zava-mahadomelina. Efa miatrika fanadihadiana izy ireo ary mitohy ny fanadihadiana lalina.

Partager sur: