Mifampiankina ny fikarohana sy ny niomerika hanamorana ny fikirakirana antontan-kevitra. Ankehitriny, mampiasa ny teknolojia ny Bibliothèque et archive universitaire de l’Université d’Antananarivo hitehirizana ireo boky sy voka-pikarohana samihafa mba hisitrahan’ny mpianatra izany amin’ny fotoana rehetra.
Mirona tanteraka amin’ny niomerika, ankehitriny, ny Bibliothèque et archive universitaire de l’Université d’Antananarivo” (BAU). Nisy ny fampitaovana vaovao nomen’ny Yas Madagascar nandritra ny fankalazana ny faha-65 taonan’ity oniversite ity, ny alakamisy teo. Tranom-bakoka hitehirizana ireo boky sy voka-pikarohana hatramin’izay ny BAU. Tanjona ny hampiarahana ny teknolojia sy ny fitehirizana boky, hahafahan’ireo mpianatra manao fikarohana amin’ny fotoana rehetra. Mba hanamorana ihany koa ny fikarohana sy ny fikirakirana ireo tahiry entina mampivoatra ny Fampianarana ambony eto Madagasikara. “Vaindohan-draharaha ny fanohanana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fampiroboroboana ny niomerika mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny talen’ny maha olona eo anivon’ny Yas Madagascar, Gaëlle Voca. “Fanamby ny ampanarahana ny tranomboky amin’ny niomerika”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Randrianasolo Rivoarison. Andraikitry ny tranomboky, hoy izy, ny manome vaovao marina ho an’ny mpianatra. Hanampy amin’izany ny fampiasana ny teknolojia, hahafahan’ny mpianatra sy ny mpikaroka hisitraka ny tolotra.
Vina
Manodidina ny 20 700 ankehitriny ny boky efa navadika ho niomerika. “Tanjona ny hananganana vovonana hampahafantarana ny sanganasan’ny mpikaroka sy ny voka-pikarohana misy eto amintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy ny tale lefitry ny BAU, Rakotoarivelo Mahefa Hasimandimby. Anisan’izany, hoy izy, ny vovonana “Docura”, hiseraserana amin’ny mpanao gazety sy mpandraharaha ary ireo mpisehatra samihafa amin’ny voka-pikarohana.
Henintsoa




