Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry, ny alahady teo, i Jean Olive. Vao maraina koa, omaly, no fantatra fa lasa i Zanny. Samy mpanao mozika izy ireo.
Maizina ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto, indrindra ny mozika. Nahazoam-baovao fa nodimandry ny alahady teo Ramaheninarivo Jean Olive, fantatra eo amin’ny sehatry ny mozika amin’ny anarana hoe Olive. Malagasy mpanakanto nonina tany La Réunion izy, fantatra amin’ny fiarahany milalao mozika amin’ireo namany rehefa mandalo an-tanindrazana. Anisan’ireo nampiara-peo taminy i Farakely, Njakatiana, Hary Tiana, sns. Mankafy ny mamerina hirana mpanakanto hafa na «cover» ihany koa i Olive, izay nampalaza azy rahateo. Nanana hira maro tsy dia fantatry ny rehetra ihany koa anefa izy. Tsy ny mozika ihany fa ny baolina kitra ihany koa no tena nahafantarana sy nampisongadina an’i Jean Olive.
Fa tsy nijanona teo ny vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny mozika… Vao maraina ihany koa, omaly, no fantatra fa nodimandry teo amin’ny faha-63 taonany Randrianaivo Noel Germain, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe Zanny. Tsy maro no mahalala izany anarana izany, kanefa azo antoka kosa fa anisan’ny be mpankafy ilay hira noforoniny, «Tsara andry», nataon’ny tarika Hasina. Efa nanomboka ny taona 1983 i Zanny no nanao mozika, ary namoron-kira hoana mpanakanto maro izy. Anisan’ireny i José ao amin’ny tarika Hasina, Fy Nadia, Colombe, Ken, sns. Nanangana ny Zanny’s Band ihany koa izy, nanao ny «Volana», «Taizam-pihafiana», «Diso tia», sns. Tao ambadimbadika tao foana, na naniry sy niezaka ny ho fantatra tamin’ny sanganasany i Zanny. Hitoetra mandrakizay kosa ireo sanganasany…
Zo ny Aina




