PDS an’Antananarivo Renivohitra : Mametraka fepetra ny mpiasa

Tsy niandry ela fa naneho ny heviny avy hatrany. Namoaka ny masontsivana momba ny ho PDS hitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny eo anivon’ny Sendikà mahaleo tena (SACUA).

Nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, i Clement Jaona, fa manaiky ny fanendrena ny delegasionina manokana (PDS) ireo mpia­san’ny CUA. Na izany aza, nametraka fepetra izy ireo. « Aoka kosa aloha mba tsy ho miaramila izany ary tokony hanaraka ny lalàna velona efa voafaritra ny momba ny fanendrena », hoy izy ireo. Nofaritan’ity sendikà ity, tamin’izany, fa hisahana ny lafiny politika ny PDS. Hiandraikitra ny mpiasa kosa ny lefitra iray ka tokony mba avy amin’izy ireo izany olona izany. « Afaka mitantana ny mpiasa ato izahay samy izahay », hoy ihany izy. Ny lefitra iray amin’ny PDS kosa hisahana ny vola amin’izany. Nomarihiny fa tsy tokony ho latsaka ny telo ireo mpikambana nefa koa tsy mihoatra ny fito, araka ny nambarany hatrany. Anisan’ny masontsivana angatahin’ireo mpiasa eo anivon’ity sendika ao amin’ny CUA ity koa ny tokony tsy hananan’izay ho PDS fiandaniana.
Ankoatra izany, nohamafisin’izy ireo fa tsy mitaky na manao ramatahora na manindry ny amin’ireo masontsivana sy fepetra napetraka ireo ny SACUA na nohitsin’izy ireo aza fa nahavita nanova sy nanala ny governemanta ireo andiana olona 40 na 100 any ho any. « Aoka hanaraka ny eritreritray ny fitantanana ny tanàna », hoy ihany izy ireo. Tsy midika anefa izany fa mpanao politika ny sendikà, araka ny nambarany hatrany.
Afaka sivy volana ny famerenana ny fifidianana
Tsiahivina fa afaka 270 andro na sivy volana, araka ny voalazan’ny lalàna ny fe-potoana hamerenana ny fifidianana. Tsy miova ireo kandidà mpifaninana hiatrika izany.
Araka izany, andrasana ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny Ceni na ny governemanta vaovao hitsangana eo, afaka andro vitsivitsy.

Synèse R.

Partager sur: