“Tsy ao anatin’ny fivoriana izahay amin’izao fotoana izao. Nisy fanapahan-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izay nandrava ny governemanta. Tsy maintsy misy koa fandraisana andraikitra avy amin’ny Antenimierampirenena, araka izay lazain’ny lalàmpanorenana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fandravana tampoka ny governemanta. Ny amin’ny fanolorana anarana izay hotendrena ho Praiminisitra izany. Anjaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny manendry izay olona tiany hiara-miasa. Tsy azo hadinoina fa manana fe-potoana 24 volana izy amin’ny zavatra roa lehibe eto amin’ny firenena. Anisan’izany, ohatra, ny tsy maintsy hamahana ao anatin’ny 24 volana ny fitakian’ny vahoaka eo amin’ny lafiny sosialy: famatsian-jiro sy rano, fanamboaran-dalana, fanamboarana ny oniversite rehetra… Efa hita fa misy fihatsarana izany. Zava-dehibe indrindra koa ny fanomanana fifidianana.
Mety hisy ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena; amin’izany, mety hisy koa ny fanolorana anarana avy amin’ny vondrona parlemantera efatra amin’izay hotendrena ho Praiminisitra. Mety misy zavatra tsy nahafaly ny filohan’ny Fanavaozana ny amin’ny fanarenana an’i Toamasina, ka nandravana tampoka ny governemanta. Mety misy tsy mahafaly azy koa ny amin’ny fandaharam-potoana 24 volana. Eo ko ny famahana ny olana sosialy. “Miankina amin’ny feon’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra rehetra eto amin’ny firenena”, hoy izy.
R. Nd




