Faribolana Sandratra : Hitondra ny « Zarafanahy XIV »

Hanomboka amin’ny velakevitra anio, ny eto Antananarivo. Efa nisy kosa ny hetsika hafa tany amin’ny faritra. Hitohy amin’ny « Zarafanahy XVI » ny fanamarihana ny Volan’ny Poezia, ho an’ny Faribolana Sandratra.

21 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia. Natokana ho volan’ny poezia ihany koa ny volana marsa, noho izany. Tsy diso amin’ny fankalazana izany ny Faribolan’ny poeta Sandratra, isan-taona. Nandritra ny 13 taona izay no nisian’ny hetsika “Zarafanahy”, izay tontosaina manodidina io fankalazana io. Ho an’ity taona ity, hatao ny sabotsy 21 marsa izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany faha-14 amin’ny “Zarafanahy”. Ao amin’ny efitranon’ny CGM Analakely, toerana manamarika ny Faribo­lana Sandratra sy efa nahazatra hatramin’izay, no hanatontosana izany.
Araka ny anarany, fifampizaran’ireo poeta ny aingam-panahiny amin’ny mpankafy ny hetsika. Poeta 12 no hifarimbona amin’ity, ahitana an’i Miaro Zo Miaina, Haingohaja, Myrte, Ni, Hainga, Andry Odor, Rado Nomena, Tata an’Ala, Ariela Fanoitra, Ramo­ravelona Itsipika, Hasina Ra­tera ary i Toll.

Hitohy amin’ny “Alimbetso”
Toa ny efa fanaon’ny Faribolana Sandratra, hotontosaina ny alin’io 21 marsa io ihany koa ny “Alimbetso”. Hatao eny amin’ny Le Park Bemasoandro Itaosy, izay hialohavan’ny “Bar à livres” aloha. Fiantsana poezia ma­no­­didina afondasy, iarahan’ireo poeta 12 efa manao ny “Zarafanahy” ny maraina, ampian’ireo mpiray faribolana, ireo vahiny ary ny fokonolona eny Bemasoandro izany.
Mialoha an’io 21 marsa io, mitohy hatrany ny velakevitra fanaon’ny Faribolana Sandra­tra isam-bolana. “Eva?” no lohahevitra hovoaboasana, anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Andriambavilanitra poeta telo no hifarimbona amin’izany: I Voary hanazava ny “Ny dindo kanton’i Eva anaty finoana”. Ny Tsiaro hiresaka ny “Ny dindo kanton’i Eva anaty fanantenana” ary i Dimby Ma­he­nina hilazalaza ny “Ny dindo kanton’i Eva anaty fitiavana”.

Zo ny Aina

Partager sur: