Mankalaza ny faha-100 taona nahaterahan’ny mpanoratra, Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana (CAR) ny taranany, amin’ity taona 2026 ity. Hetsika maromaro no hotanterahina, raha ny fandaharam-potoana novolavolain’izy ireo. Miatomboka amin’ny fampirantiana ny asasorany ao amin’ny Trano Sary, Ambohidahy, ny alarobia 8 avrily, maraina, ny hetsika. Fanombohana sady fitokanana, rahateo, ny efitra fampirantiana amin’ny anaran’i Clarisse Andrimampandry Ratsifandrihamanana io fotoana io.
Mandritra ny volana avrily. Antsan-tononkalo samihafa no hotanterahina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitohy amina hetsika maromaro izany. Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana hajia amin’ny anaran’ity andrarezin’ny asasoratra ity. Ao ihany koa ny velakevitra. Ho voavaly amin’ity ihany koa ny hetahetan’ireo rehetra nangataka ny hamoahana indray ny tsanganasany. Hisy ny fanontana ireo asasorany.
Tantara foronina, tononkalo, tantara an-tsehatra, angano, foto-pisainana … Samy lohahevitra nikorisan’ny peniny avokoa. Nahasarika mpamaky maro be ny « Ny zanako », « Lavakombarika », « Salohy » (amboara tononkalo)…
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




