Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Hanamarika izany ny Havàtsa-Upem

Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Toy ny fanaony isan-taona, hankalaza io vanim-potoana io ny Fikam­ba­nan’ny mpanoratra sy ny poety malagasy, Havàtsa-Upem, ny 21 marsa izao. Hotanterahina manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely ny « Tabataba an-tononkalo an-tokotany », amin’io andro io. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-pahariva.
Tsy natokana ho an’ny mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem irery ity hetsika ity fa ho an’ny rehetra. Hanasana ireo rehetra mandalo eny an-toerana, hiantsa na hanoratra poezia avy hatrany. Hisy boky maromaro, rahateo, azo jifaina hifantenana ny tononkalo hantsaina, mandritra ny fanatontosana ny « Tabataba an-tononkalo an-tokotany ».
Hetsika anisan’ny miavaka amin’ny fanamarihana ny An­dro maneran-tany ho an’ny poezia izy ity. Ilay aingampanahin’ny mpanoratra ka niteraka ny tononkalo sy ny an’ireo mpiantsa no velarina ho an’ny rehetra. Ireo izay efa nanam-paniriana hiantsa tononkalo eo imason’olona maro, amina toerana malalaka (an-kalamanjana), voavaly ny hetahetany.
… Ankoatra ny maha kanto ny seho ao anatin’ny « Taba­taba an-tononkalo an-tokotany », hanana endrika fanabeazana ho olom-banona sy fampitan-kafatra koa ity hetsika karakarain’ny Havàtsa-Upem ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: