TSELATRA

Olona telo voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 3 Antaninandro nanomboka ny 8, 9 ary 10 marsa lasa teo. Voarohohorohy tamin’ny resaka halatra izy ireo. Voasambotra tao Mahavoky, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny alin’ny 08 marsa 2026, lasa teo ny iray. Tratra nangalatra moto teny Mahavoky Besarety, ny 09 martsa 2026, lasa teo kosa ny iray. Voasambotra teny Mandilaza Ankadifotsy, ny 10 Marsa 2026 ny fanintelony. Tratra nangalatra gony nisy akanjo. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy avokoa izy rehetra ireo.

Nametrahana aro fanina ny totohatra miakatra eny amin’ny Fokontany Andrononobe, kaominina Anka­dikely Ilafy, omaly. Tanjona ny hahafahana miaro ny mpandalo eny amin’ny. Natao hisorohana ny loza mety hitranga, indrindra ho an’ireo mpampiasa ity lalana ity isan’andro, toy ny ankizy, ny zokiolona ary ny mpandalo rehetra ihany koa. Marihina fa efa nisy zazakely dimy taona maty nianjera tamin’iny tohatra iny, tamin’ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo.

Fanamafisana ny fanajana ny lalàna sy ny hasin’ ny sata mifehy ny fandraharaharan’ny fonja. Noesorina ampahibemaso ny galona sy ny fanamiana tsy ara-dalàna an’ny mpandraharahan’ny fonja iray nampiasainy, izay tsy mifanaraka amin’ny andraikiny sy ny sata mifehy ny fandraharahana ny fonja, omaly, tetsy Fara­vohitra. Notanterahina teo anatrehan’ny “Staff” ny fitaleavana jeneralin’ny fandraharahana ny fonja izany fanesorana izany. Natrehin’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Rasamoelina Herinirina Roger.

Partager sur: