« Andao ampio re izy ». Antso hataon’ireo mpanakanto mpivoy ny hira filazantsara ho fanampiana ireo traboina any Toamasina izany.
Mpanakanto ara-pilazantsara sy antoko mpihira mitambatra na Maami. Nanomboka tamin’ny fifanentanana mba haneho firaisankina ho an’i Toamasina, noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, izy ireo. Lasa fikambanana ankehitriny ary hanatontosa ny antom-pisiana voalohany. «Andao ampio re izy» ny lohahevitry ny hetsika, hotontosaina ny sabotsy 14 marsa izao, etsy amin’ny Parvis, Kianjaben’i Mahamasina, manomboka amin’ny 9 ora maraina.
«Haka endrika fampisehoana goavana, hifandimbiasan’ireo mpanakanto sy antoko mpihira anatin’ny Maami io fotoana io. Hanentananay izay malala-tanana rehetra hitondra izay azo hanampiana ny mponin’i Toamasina hiatrehin’izy ireo ny fahavoazana ka hanarenana ny simba. Fotoana ahafahan’ny tsirairay sady manao asa soa no mahita an-tsehatra ireo mpanakanto ara-pilazantsara io», hoy i Jacquot, tarika Ny Fanilo, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Antanimena.
Seho maimaimpoana, tsy misy vidim-pidirana izy ity. Hisy kosa ny fandraisana ireo fanampiana ary entanina mba ny fitaovana enti-manarina no ho betsaka kokoa. “Havadikay ho fitaovana toy ny fanitso, hazo, fantsika, sns, izay vola azo fa tsy hisy lelavola mihitsy. Efa nanapa-kevitra fa hidina any Toamasina mihitsy izahay ary hataonay mazava tsara ny momba ireo fanampiana rehetra. Efa misy ireo tsara sitrapo nanome ny fiara hitondra ny entana sy ireo mpanakanto, ankoatra ireo nanampy amin’ny seho”, hoy hatrany ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny Maami.
Noho io voinkava-mahatratra io no nijoroan’ny fikambanana, kanefa fantatra sahady fa hisy tohiny izany. Eo am-piketrehana ny “Maami Festival”, hetsika lehibe ho an’ny fiderana an-kira izy ireo.
Zo ny Aina




