Fananana ny maro an’isa eny Tsimbazaza: Mitaky praiminisitra avy amin’izy ireo ny Irmar

Naneho ny heviny manoloana ny ho fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert.

Nohitsiny fa manana ny maro an’isa ny vondrona parlemantera Irmar eny Tsimbazaza raha hampiharina ny Lalàmpanorenana, nanaovan’ny filoham-panja­kana, fianianana ny 10 oktobra teo. « Tsy manana zo hiditra na hifindra amin’ny von­drona parlemantera hafa ireo depiote Irmar, nisintaka ka takinay ny hanendrena ny praiminisitra avy aminay maro an’isa, Irmar », hoy izy, teny Tsimbazaza, omaly. Tafiditra amin’ny fanajana ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana izany sady ho fampiharana ny fitsipika anatin’ny Antenimie­rampirenena, araka ny nambarany hatrany.
Nambarany koa anefa fa raha tsy mitazona izany intsony ny Irmar, tranga mety hi­seho ny fivondronana antoko politika na vondrona antoko mahafeno ny isa, mihoatra ny 50%. « Afaka manolotra izy ireo amin’izany ary fahefan’ny filohan’ny Fanavaozana ny manendry ny praiminisitra avy amin’ny fitambarana antoko na vondrona antoko ireo », hoy izy. Nanteriny koa fa mety hi­seho ny fiarahan’ny vondrona politika na tsy miankina sy
ny avy amin’ny Irmar. Mbola afaka manolotra lehiben’ny governemanta koa izy ireo, araka ny nambarany.

Depiote miisa 100 nanolotra anarana praiminisitra

Etsy andaniny anefa, nambaran’ny filohan’ny Antenimie­rampirenena, Randrianaso­loniaiko Siteny, omaly, fa efa manana anarana praiminisitra hatolotra ny filohan’ny Fana­vaozana ny eny Tsimbazaza. « Miisa 100 amin’ireo solombavambahoaka 163 no nanolotra ireo anarana ireo hisafidianan’ny filohan’ny Fanavao­zana », hoy ihany izy. Notsin­driny fa miisa telo ireo von­drona parlemantera mijoro eo anivon’ny Antenimierampire­nena ka anisan’izany ny Firai­sankina, maro an’isa, manohana sy miaraka amin’izao fitondrana izao.

Synèse R.

Partager sur: