FANTINA sy FINTINA

Hamelabelatra ny « Antso avo ho an’ny Tete­zamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava » ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. Ho­tanterahina, anio, etsy amin’ny foiben’ny Rohy, Amba­tonakanga, izany. Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ireo fiarahamonimpirenena an-jatony herinandro vitsy lasa izay, niresaka ny momba izany.

Nitohy teny Ambatofahavalo ny hetsika fanohanana ireo kaominina eny amin’ny distrikan’Atsimon­drano. Nanolotra « ordinateur”, “unité central”, “imprimante » ho an’ny kaominina Ambatofahavalo ny depiote Raharimanarivo Voahangy. Mbola nanolotra jiro hanazavana ny elakelan-trano koa ny tenany.

Manentana ireo Malagasy miasa sy monina any amin’ny tany arabo ny masoivohon’i Madaga­si­kara any Ryad mba hanaraka ny toromarika any amin’ ireo firenena misy azy ireo avy. Anton’izany ny ady miseho any Moyen Orient, amin’izao fotoana izao. « Aoka hanamafy ny fifaneraserana sy ny fifampitana vaovao », hoy ny fanambarana.

Mangataka amin’ny Filoham-panjakana ireo zanaky ny faritra Boeny mba hanendrena an-dRaha­rimanana Mamy ho eo amin’ny toeran’ny praiminisitra. Nambaran’izy ireo fa mahafeno ny fepetra ho amin’izany io atolotr’izy ireo io. « Mahitsy sy mendrika ary mahavita izany andraikitra izany izy », hoy izy ireo.

Partager sur: