Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Anatihazo Isotry ny vehivavy miisa roa, ny alakamisy 12 marsa 2026, maraina. Tratra nangarom-paosy nanoloana ny Fiangonana katolika iray eny an-toerana izy ireo. Miasa mangarom-paosy ireto farany ary ireo mirava avy mivavaka no tena kendreny. Miandry eny amin’ny manodidina ny fiangonana izy ireo, mitily olona mirava hanaovany ny asa ratsiny. Efa maro ny lasibatra tamin’izany asa ratsy ataon’ireto roa vavy ireto izany ka tonga nitaraina teny amin’ny biraon’ny polisy.
Nidina ifotony sy nametraka paikady, araka izany, ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany IV Isotry. Vokany, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa vavy ka noraisim-potsiny. Nosamborina ary miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy, taorian’izay. Niaiky ny heloka nataony izy roa vavy ary ny tsy fananana asa no antony nahatonga azy ireo manao izao asa ratsy izao, raha ny nambaran’izy ireo.
Mino




