Andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny taona. Tsy ananan’ny firenen-kafa ny fahalalana nentin’ny Malagasy namantatra izany. Niavaka ihany koa ny fomba notanterahiny isaky ny mandalo io fotoana io.
Ny anaran’ny volana no niova nanaraka ny vanim-potoana fa ny tononandro, iray ihany no nambarany. Fahiny, nantsoina tamin’ny « papangolahy lava elatra », « andriamboromahery », sns, ny anaram-bolana malagasy. Taty aoriana, nivoatra ho « volasira », « volambita », « volamaka », sns. Nivoatra ihany ka lasa naka ny anarana « alahamady », «adaoro», « adizaoza », « asorontany », sns. Niova ho « janoary », « febroary », « marsa », « avrily », sns, nanomboka teo amin’ny vanim-potoana nidiran’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona.
Misy ny lamina voajanahary tsy miova amin’ireny volana ireny. Narindran’ny Malagasy hifanaraka amin’izany ny zavatra nataony. Rehefa mamony mena, ohatra, ny hasina, mitafy mena ny fody… Tonga ny taom-pahasoavana, satria, vokatra ny nambolena. Miakatra ny vakiambiaty. Miadana ny ambanilanitra, sns. Nifaly sy nanao lanonana (firariantsoa, fisantarana…) izy. Mialoha an’ireo ny fandalovan’ny orambe sy ny rivotra mifofofofo mafy. Noraisiny ho fanadiovana (fidiovana, fandroana…) azy sy ny tany onenany ary ny zavaboahary manontolo izany.
Izany hoe, fomba efa fanaon’ny Malagasy hatry ny ela ireo voajanahary ireo (fidiovana, firariantsoa, fisantarana…) … Nezahan’ny Trano Kolotoraly Malagasy novelomina sy novelarina ka nomeny ny anarana « Taombaovao Malagasy ». Ankehitriny, fikambanana sy Malagasy maro no resy lahatra sy mifarimbona mamerina sy manatanteraka ireo fomba amam-panao tontosaina amin’ny tonon-taona lehibe tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto




