Eny, teny frantsay ny lohateny ary amin’ny teny frantsay ny tantara…Maneho ny zava-misy marina eto Madagasikara anefa ilay piesy « Bouches cousues », nontontosain’i Filip Auchère. Haseho etsy amin’ny IFM Anakalely izany, rahampitso 14 marsa, amin’ny 3 ora tolakandro. Farimbon-talenta fanta-daza eo amin’ny sehatry ny teatra maoderina, satria dia i Gad Bensalem no hiantsoroka ny rindra an-tsehatra. Horavahan’ny mozikan’i Loïc Simon kosa ny tantara. Natao hampivoaka ny aingam-panahy fototra avy amin’ny mpamorona sy ny fihetseham-po tadiavina anatin’ny piesy izany.
Teraka sy lehibe teto Madagasikara ary manana ra malagasy mikoriana ao anatiny i Filip Auchère. Tsy vitan’ izay fa notakariny tamin’ny fiainany manokana fahazaza, miampy ny tadidy mitamberina sy ny raiketin’izany am-parahatoka ny “Bouches cousues”. Maneho ireo tranga iniana tsy lazaina, tsy ampahafantarina, kanefa niainana ary mbola iainana izany. Haseho amin’ny endrika kanto, hanehoana ny fikambanan’ny fikarohana sy ny aingam-panahy izany…
Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Iray volan’ny teatra ity seho an-tsehatra ity. Tantara tsy fahita matetika, nosafidiana manokana mihitsy mba hampiavaka ny hetsika.
Zo ny Aina




