TARATRY ny KANTO

Silo sy ny zoma faha-13… Izay mpankafy azy hatramin’izay dia mahalala fa anisan’ny daty tena tian’i Silo hihaonana amin’izy ireo ny zoma faha-13. Milatsaka indray izany androany, ka ao amin’ny Piment Café ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana fanehoan’i Silo ny talentany rehetra, na amin’ny fitendrena ny hirany amin’ireo karazan-javamaneno maro izay feheziny, na ny famerenana ny sanganasan’ireo mpanakanto ankafiziny amin’ny fombany izany.

« Manana anao… », Jaquis Randria, etsy amin’ny Valiha Hôtel Antanimena. Anio manomboka amin’ny 7 ora hariva ity « cabaret acoustique » ity. Izay rahateo ny endriky ny fialamboly faran’ny herinandro tian’ny toerana voizina, izay efa natombok’ireo mpanao kaïamba, Mbola Talenta, Inah, Anoka Ba Gasy, sns. Ilay fifanakaikezan’ny mpankafy sy ny mpanakanto mandritra ny fotoana iarahana izay no tanjona amin’izany.

Teatra- sehatra malalaka etsy amin’ny CGM Analakely. Hanomboka amin’ny 3 ora izany, rahampitso 14 marsa. Natao ho an’ireo efa mpisehatra na vao manam-paniriana ka te hitsapa sehatra izany. 3 minitra avy no hananan’ireo mpilalao, hanehoany izay aingam-panahiny miserana eo. Tafiditra anatin’ny hetsika “Festival international de théâtre d’improvisation de Madagascar”, izay karakarain’ny Cie Miangaly, izy ity.

Partager sur: