Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ambohidahy, ny alakamisy 12 marsa 2026, lasa teo. Tratra nangalatra sy nanimba fananana iombonana teny an-toerana izy io. Nongotan’ity lehilahy ity tamin’ny andro atoandro, ny sarona dalle iray tetsy Ambohidahy. Tratran’ny polisy izy ka nosamborina avy hatrany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy ny tenany ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Vehivavy miisa roa (23 sy 18 taona) niara-maty an-drano tao amin’ny farihin’Imamba tetsy Ivato, afakomaly. Nikasa haka rano izy ireo ka voatery niampita lakana. Nisy tsio-drivotra tampoka anefa namely azy ireo rehefa tonga teny afovoan-drano. Vokany, nivadika ny lakana nisy azy roa vavy ka nilentika tao anaty rano izy ireo. Samy rendrika tao anaty ireto farany ka efa vatana mangatsiaka no azo tao.
Fiara mpanatitra mpiasa iray nidina avy any Ambohimanarina no nifandona tamin’ny moto iray avy any Alarobia, ny alin’ny alakamisy 12 marsa 2026 tamin’ny 11 ora alina. Nitranga teo amin’ny sampanana midina ho any Andraharo ny loza. Samy nandeha mafy izy ireo ary samy tsy tafavily ka nidofitra. Vokany, naratra noho ny dona nahazo azy ilay lehilahy nitondra ny kodiaran-droa ary nentina eny amin’ny HJRA Ampefiloha.
Ankizilahy 14 taona hitan’ny olona nirenireny teny amin’ny fokontany Talata Maromena Sud, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly hariva. Naterin’ny olona eny amin’ny Polisim-pirenena Imerintsiatosika izy taorian’izay. Mba hafahana manao fanadihadiana sy mitady ny fianakaviany. Tsy dia salama saina io ankizy io ary tsy miteny rehefa anontaniana, raha ny fanazavana voaray.




