Nanao veloma ny mpiara-miasa taminy, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo teo aloha, Ramanantsoa Harilala. Teny amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely, no nanatanterahana izany. Manamafy ny fanajana ny didim-pitsarana izy.
“Ekeko am-panajana tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevi-panjakana, satria tafiditra ao anatin’ny fitandroana ny fanajakana tan-dalàna. Ao anatin’ny demokrasia sy ny fanajana ny lalàmpanorenana ary ny fanjakana tan-dalàna no fototry ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena”. Izay ny fanaovam-beloman’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra teo aloha, Ramanantsoa Harilala, ho an’ny mpiara-miasa sy ny mponina teny amin’ny Lapan’ ny Tanàna, Analakely, omaly, manoloana ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-panjakana momba azy. Tonga ny fotoana hialany amin’ny andraikiny maha ben’ny Tanàna azy, araka ny nambarany.
Na izany aza, nohamafisiny fa hanohy ny raharaham-pitantanana andavanandro sy ny asam-panjakana ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mandra-pahavitan’ny famindram-pahefana, araka ny lalàna. Mbola maro ny fanamby miandry ny renivohitr’i Madagasikara, indrindra ny fitantanana ny fako. Eo koa ny tetikasa fanavaozana ny jiro telo soratra fandaminana ny fifamoivoizana, izay mbola tsy vita tanteraka amin’izao. Nanome toky izy fa tsy misy ahina ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny CUA amin’ity volana marsa ity. Tsy hadinony ny naneho fisaorana sy fankasitrahana an’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina sy ireo mpanolotsaina ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra noho ny fiaraha-miasa.
R. Nd.




