Naheno paipaika ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’Antananarivo. Misy inona ? Ho famaliana io fanontaniana io, nanao fampahafantarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
Tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nanatanterahana ny fampahafantarana ny zava-nisy tao Anatirova, omaly. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana laharana faha-606, tamin’ny 18 febroary 2026, izay mandidy ny fandrodanana ny «colisée» ao Anatirova. Nanatona ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo mpitory, mahakasika ny fampiharana izany didy izany.
Nambaran’ireo mpitory fa izao no andro mifanentana hirosoana amin’ny fanombohana ny fandrodanana io kianja io. Ilay didim-pitsarana nivoaka, rahateo, azo ampiharina avy hatrany na dia mbola tsy raikitra aza (jugement exécutoire sur minute non obstant toutes voies de recours).
Ho fanajana ny fomban-drazana, araka ny nambaran’ireo mpitory sy ho fampiharana ny didim-pitsarana voalaza. Nanome alalana ny fangatahan’izy ireo ny minisitera mba hirosoan’ny mpitory amin’ny « vava asa » hanamarihana ny ampahan’ny fandrodanana, omaly 13 marsa 2026. Nitondra vadintany ireo mpitory nandritra ny asa rehetra, tamin’izany.
Nambaran’ity taratasy fampahafantarana ity fa ny fanohizana ny fandrodanana dia hatao aorian’ny kaomity iraisan’ny andrim-panjakana sy ireo minisitera voakasika ary ireo ankolafiny mpitory.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




