Lavon’ny balan’ny polisy nanao fanamiana sivily ny jiolahy iray teny 67 Ha, omaly maraina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny, nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nanao fisafoana teny an-toerana izy ireo ka nisy tamin’ny ekipa nanao fanamiana sivily. Vao mangiran-dratsy, nisy telo lahy nanatona ny polisy iray anisan’ireo nanao io hetsika io. Tsy nahafantatra, araka izany, ireo olon-dratsy. Nanery ilay polisy hanome ny zavatra sarobidy rehetra ireo olon-dratsy ireo. Nitonona ho polisy anefa io lasibatra io ary nandidy an’ireo jiolahy tsy hisy ihetsika intsony. Namoaka sabatra avy hatrany anefa ny iray tamin’ireo mpanao ratsy. Nikasa hamely an’ilay polisy. Nitifitra tamin’ny basy io mpitandro filaminana io ka lavo tamin’ny tany ny iray tamin’ireo mpanendaka. Tafaporitsaka tanaty elakelan-trano ny naman’ity farany miisa roa. Mitohy ny hetsika ataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena hamongorana ireo jiolahy eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.




