Star : Zava-pisotro vaovao anaty vifotsy

Nampahafantarina ny 13 marsa teo, ny vokatra vaovao an’ny orinasa Star. Voakasik’ izany ny Fresh, ny Caprice, ny Woco ary ny XXL, izay atao anaty fonosana vifotsy (canette), 33 cl. Zava-pisotro « panaché » voalohany vokarina eto Madagasikara, ny Fresh anaty vifotsy « canette », sady mora ampiasaina. Hita bebe kokoa amin’ny lalam-barotra Modern (CHR, GMS, SS). Zava-pisotro efa nalaza hatramin’izay koa ny « Caprice canette », miaraka amin’ireo tsiro mampiavaka azy, toy ny « bonbon anglais », ny « Orange » ary ny « Grenadine ». Manana tsiro « cola » ny Woco, ka hisy koa ny anaty vifotsy « canette » 33 cl, manamora ny fahitana azy eny an-tsena. Zava-pisotro manome hery, mampatanjaka, ny XXL (energy drink). Voatahiry hatrany ny tsirony amin’ny maha anaty sokajy «energy» azy. Hanom­boka eto Antananarivo ny fitsinjarana azy ary hiitatra tsikelikely manerana ny faritra eto Madagasikara. Laharam-pahamehana amin’izany ny tranombarotra maoderina.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny marika ao amin’ny Star, Rakotonarivo Miora sy Rakotobe Mickael, fa “manamafy ny finiavany hanolotra vokatra maoderina sy mifanaraka amin’ny fironana vaovao eo amin’ny fanjifana hatrany ny orinasa. Tanjona ny hanatsarana sy ny hanavaozana hatrany ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sady manaraka ny toetrandro”.

Njaka A.

Partager sur: