Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 100 dolara, izany hoe, 103 dolara ny barila (1b=159 L), ny zoma 13 marsa teo, raha mbola 93 dolara/b, ny 12 marsa. Nanomboka ny 28 febroary, fotoana nipoahan’ny ady nanafihan’i Etazonia sy Israel an’Iran no nanomboka ny fiakaram-bidy, raha 70 dolara/b ny vidiny tamin’izany
Mahatratra 6-7 t/ha ny voka-bary ampiharana ny teknika Papriz, raha 2-3t/ha ny fomba fambolena nentim-paharazana. Voamarina io, nandritra ny fidinana ifotony teny Ambohimanga, ao amin’ny valatahaka fambolem-bary, amin’ny velarantany 60 ha. Nanatanteraka izany ireo delegasionina iraisam-pirenena, namarana ny fivoriamben’ny CARD teto Antananarivo, ny herinandro lasa teo.
Miisa 60 ny mpanabe nanaraka fiofanana momba ny fanaovana fanabeazana ara-tontolo iainana any am-pianarana, ao amin’ny sekoly ASA (Akany sahirana arenina) any Ampasimpotsy, Marorahona Tsiroanomandidy. Anisan’ny nampahafantarina azy ireo ny fampiasana ny kit MadEre, fitaovana ampiasaina amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Natsangana tamin’ity fotoana ity ihany koa ny Klioban’ny tontolo iainana eny an-tsekoly.




