Voin-kava-mahatratra : Nahavita ny adidiny ny Maami

Mpanakanto ara-pilazantsara sy antoko mpihira mitambatra na Maami. Anaram-bondrona niforona noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy miandry, fanehoana firaisankina ho an’ny mponin’i Toamasina sy ny manodidina, vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Nahavita ny adidy ny Maami, satria tontosa soa aman-tsara ny hetsika izay nataon’izy ireo ny asabotsy teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Niara-dalana ny fiderana an’Andriamanitra an-kira, ny fitoriana ny Filazantsara, ny fanehoana talenta amin’ny mozika sy ny fanehoana firaisankina amin’ny mpiray tanindrazana. Mpihira evanjelika sy antoko mpihira maromaro no nifandimby teny an-tsehatra, samy nitondra ny anjara birikiny avy. Namaly ny antso ny mpiray tanindrazana. Maro ireo nitondra fitaovana ho fanampiana ny traboina. Araka ny nambaran’ny Maami, handamina sy miandry ny fotoana hanaterana ny fanampiana any an-toerana ireto mpanakanto ireto. Efa misy ny tsara sitrapo hiantoka ny fitaterana ny fitaovana sy ny solontenan’ny mpanakanto hidina ifotony.

Zo ny Aina

Partager sur: