Tokony ho matihanina avokoa ireo mpisehatra amin’ny fikarakarana hetsika ara-javakanto. Antony iray nananganana ny tetikasa «Horizon Madagascar» izany. Ry zareo avy ao amin’ny Nas Production no hisahana izany, izay efa natombok’izy ireo tamin’ny fampiharana nandritra ny fandalovan’ireo mpanakanto maromaro, avy any ivelany. Hitohy indray izany, manodidina ny seho izay hotontosain’i Gazo sy i La Fouine eto Madagasikara, ny 10 avrily ho avy izao.
Miantso ireo tanora, nandranto fianarana manodidina ny zavakanto sy ny fikarakarana hetsika, na ireo maniry te hilomano anatin’ny sehatra izy ireo. Hianatra momba ny fanomanana, ny fandaminana, ny fampitaovana, ny serasera, ny fikarakarana ny lafiny ara-panjakana ary ny fanatontosana ny hetsika amin’ny fotoan’androny ireo mpiofana. Zava-dehibe ho azy ireo ny fahafahana misitraka ny hetsika lehibe amin’io fampisehoana ny 10 avrily io.
Hanaporofoana ihany koa ny fiofanana fa misy sady maro ireo asa manodidina ny zavakanto. Tsy ireo mpanakanto ihany no mpisehatra, fa rafitra iray manontolo no mivelona manodidina izany. Efa miroso tsikelikely amin’ny sehatra matihanina ny mozika eto Madagasikara, sampana iray anatin’ ny zavakanto. Tsy voalohany akory ny mpikarakara no nanao ny fiofanana, ary manomboka hita taratra ny fiantraikany tsara eo amin’ny sehatry ny fikarakarana fampisehoana.
Zo ny Aina




