TARATRY ny KANTO

Ankafizin’ny tanora ny tarika Rossy. Tsy azo lavina izay, raha ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo. Nantsoina hanafana ny fanombohan’ny «Smatch’in» izy. Lalaon’ny tanora, saingy tsy nisy tsy niredona ny hiran’ny Rossy ny iray lapa. Niraikitra koa aza ilay tononkira novaina tamin’ny «Ampitampitao» nandritra ny tolona, ka lasa raiki-tapisaka am-parahatoka izany.
I Elodie Miangaly De Vathaire no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana mandaha-teny. Ho an’ny ranomasimbe Indianina, ny taona 2026, izy ity, izay natao tatsy amin’ny Nosy Maurice. Mpi­anatra avy ao amin’ny Lycée Français eto Antanana­rivo izy, izay naneho fa afaka misedra olona, misedra sehatra, nanoloana ny lohahevitra «Ny feon’ny tanora manoloana ny teny frantsay amin’ny maha mety aminy».
Mitari-dalana hatrany ry Solo Andrianasolo sy ry Fanja Andriamanantena. Fihaonan’ny mpankafy ny mozika maharitra, ny mozika tendrena, ny mozika azo antoka fa mbola hitohy am-polo taona maro, ny omaly, tetsy amin’ny La City Ivandry. Solo Andrianasolo sy ny tariny, namerina ireo hira tsy tontan’ny ela, mbola nampiany ny fanasany an’i Fanja Andriamanantena, ka na­hafeno ny fepetra naha lafatra ny seho.

Partager sur: