Mahitsy, fohy, mivantana… Kabary sy valin-teny “choc choc”? “Choc choc” koa ny minisitra hotendrena eo, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarison Mamitiana Jeannot R., tamin’ny nandraisany ny asany.
“Toromarika no nomen’ny filoha ahy: minisitra “choc choc”. Tonga dia manome vokatra eo no ho eo no hotendrena”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Mamitiana Jeannot R., tamin’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny praiminisitra teo aloha, Rajaonarivelo Herintsalama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly. Ny fahitsiana sy ny fahasahiana no nifidianana azy. Aminy, izay ihany koa ny masontsivana hisafidianana ny olona handrafitra ny governemanta. Vokatra no resahina izao fa tsy asa fotsiny. Miandrandra an’izany ny Malagasy, efa tsy mahandry. Efa ela loatra izao fijaliana izao. Izay hiara-miasa aminy, mila mandray andraikitra: manova fa tsy miasa fotsiny.
Tonga hanohy ny fanavaozana izy, fa tsy handrava. Zavatra roa lehibe no andrasana aminy. Hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanavaozana. Hampiray hina ny Malagasy rehetra manerana ny lafivalon’ny Nosy sy maneran-tany. Teknisianina izy fa tsy mbola tao anatina politika. Na izany aza, politika no fanalahidy fitantanana ny firenena. “Atoroy izahay dieny mbola tsy mijabaka. Raha tsy manoro anay ianareo, ny Malagasy no mitohy ao anaty fahantrana”, hoy izy tamin’ireo mpiara-miasa eny anivon’ny primatiora.
“Ato anatin’ny fotoana fohy no hanolorana ny minisitra”, hoy kosa tamin’ny mpanao gazety taorin’ny famindram-pitantanana. Tsy handrava fa hanatanteraka no nahatongavany. Tsy hiova ny fandaharanasa fanavaozana. Atao izay hanafainganana ny fanatanterahana ny tetiandro. Tsy afa-manova izy fa efa fandaharanasan’ny filohan’ny Fanavaozana izay. Ny hanatanteraka izany no nanendrena azy. Miara-midinika ny amin’izany izy sy ny filohan’ny Fanavaozana, fa ity farany no manapaka.
R. Nd.




