Lesona iray lehibe azo tsoahina tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra ny fifampitokisana. Olona manaja ny teny nomena, tsy mivadi-belirano na eo aza ny tsindry isan-karazany, ny lehiben’ny governemanta vaovao. Nandritra ny fotoana maharitra no efa nijoro ho arofanina izy, tamin’ny toe-javamisy tsy nety teto amin’ny firenena.
Tsy nampaninona azy ny namoy izay noheverina ho zavatra sarobidy taminy. Tsy nampaninona azy ny niala ho manamboninahitra ambony, ho fanomezan-kasina ny maha izy azy. Tsy azo vidiam-bola na atakalo fahefana ny maha olona. Zava-dehibe izay ary antoky ny fampivelarana ny maha izy azy. Porofo mivaingana ny vokany: lasa praiminisitra.
Lesona ho an’ireo mpivadibadika palitao sy ny mpanara-drenirano ny safidin’ny filohan’ny Fanavaozana ireny. Tsy ampy nitokisana ny naha mpiray andiany azy ireo, tany amin’ny Akademia Miaramila. Nitarafana ny naha matihanina azy ny tantaram-piainana arakasany sy ny dingana nolalovany.
Tantara, fakana lesona ho an’ny tanora, ny mpanao politika, ary ny olom-pirenena tsirairay ny zava-misy amin’ny fanendren’ny filoha ny olona manodidina azy. Tokony hipetraka foana ny fifampitokisana. Mainka zava-dehibe ny fahatokisan-tena sy ny fahaizana manasongadina ny maha izy azy. Miharo ilay fahaizana manome maimaimpoana tsy misy takalony.
Iza no tsy nahita fa anisan’ny olona tsy niala lavitra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Praiminisitra, vao nanomboka ny “tantara manga” niarahana tamin’ny Gen Z. Izy avokoa no tao ambadiky ny fahombiazana, hatreto. Mitovy ny tadindokanga amin’izy mirahalahy, eny fa na hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena aza.
Misy fomba fisainana iray tsy azo amaivanina ny fanapahan-kevitry ny Filoha. Mifono hafatra lalina amin’ny mpanao politika, izay mihevitra fa izy ireny no tena tompon’ny lakile sy tompon’ny teny farany. Misy hisainana!
r.r




