Depiote Liva Rason : “Matoky ny Praiminisitra ny depiote “

“Manana fahatokiana azy ireo solombavambahoaka ma­toa nanolotra azy ho Praimi­nisitra”, hoy ny depiote tsy miankina, Andriamihaja Fano­mezantsoa Yves Georges na Liva Rason, voafidy tao amin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Teny Maha­zoarivo, omaly, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ny amin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot R. sy ny governemanta vaovao hatsangany, no nanambarany izany.
Raha jerena ny tantara, mahafeno ny fepetra takin’ny teny an-kianja izy. Eo ihany izay fa ny zava-dehibe dia ny tokony hananan’ny Praimini­sitra ny fanaovana ny fampivondronana. Eo koa ny fahaizany miresaka sy mandrindra asa. Tsy ho tafavoaka raha olona tsy manana an’izay fahaiza-manao izay, araka ny nambarany. Raha ny zavatra hita sy tsinjo, ananany avokoa izay. Noho ny andraikitra efa nosahaniny, ahalalana azy, izany matoa tonga amin’izao toerana izao izy.
Inoana fa tsy ny maha mpinamana azy sy ny filohan’ny Fanavaozana ihany no nisafidianana sy nanendrena azy eo amin’ny toeran’ny Praimi­nisitra fa ny fahaiza-manaony sy ny toetra ananany manokana. Voafidin’ny maro anisa izany. Maro ireo solombavambahoaka tany amin’ny vondrona parlemantera sasany no efa nivoaka tany amin’izay misy azy ka nivondrona tao anatina vovonana iray. Rehefa nanao safidy olona maromaro ry zareo, anisan’ny neritreretina naroso teo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana izy. Izy no nosafidiana sy notendren’ ny filohan’ny Fanavaozana.

R. Nd.

Partager sur: