Miditra amin’ny andro faha-18 ny ady ifanandrinan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. Miantraika mivantana any amin’ny vidin-tsolika izany ary tsy maintsy hipaka aty Madagasikara.
Tsy mitsaha-midangana! Niakatra 30% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ ny 18 andro nipoahan’ny ady any Moyen Orient, ifandonan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. Omaly 16 marsa, tafakatra 102 dolara ny vidin’ny iray barila (1b=159 litatra), raha mbola 62,59 dolara/b ny 27 febroary, iray andro talohan’ny nanombohan’ny ady.
Firenena voalohany mpamokatra solika maneran-tany i Etazonia, 22,8 tapitrisa barila isan’andro (b/a), miantoka ny 22% ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Firenena fahenina kosa i Iran, mamokatra 4,6 tapitrisa b/a, miantoka ny 4%. Na izany aza, manan-danja eo amin’ny fitaterana ny solika ny fisian’ ny Lakandrano Ormuz, mirefy 212 km, eo ambany fiahian’i Iran, satria mandalo any ny 20% ny sambo mitatitra ny solika maneran-tany.
Nilaza ny tomponandraikitry ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), ny 2 marsa teo, fa tsy misy atahorana ny famatsian-tsolika eto Madagasikara hatreto, ary manara-maso akaiky ity toe-draharaha any Moyen Orient ity izy ireo. Nihena 200 Ar/l aza ny vidin-tsolika teto amintsika ny 5 marsa teo.
Tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar/l
Tsy mandalo any amin’ny Lakandranon’i Ormuz ny sambo mpitatitra solika avy any Oman, miainga ao amin’ ny seranan-tsambon’i Sohar, any amin’ny Golf Oman, mandalo ny ranomasin’i Arabia, ranomasimbe Indiana ary migadona ao Toamasina. Maharitra 8 hatramin’ny 12 andro ny dian’ny sambo. Izany hoe, ny vidiny nandraisana azy tamin’ ny 12 andro lasa no mihatra, nahatonga io fihenam-bidy nampiharina, ny 5 marsa, io.
Tafiditra anaty fepetra nifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny fanovana ny vidin-tsolika isam-bolana. Tsy mihoatra na tsy latsaky ny 200 Ar/l anefa izany. Nihoatra 30% anefa ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tato anatin’ny 18 andro. Ho hita eo ny fiovam-bidy hampiharin’ny OMH amin’ny volana avrily.
Njaka Andriantefiarinesy




