Tafaverina amin’ny laoniny ny ankamaroan’ny tolotra omen’ny Orange Madagascar taorian’ny korontana tamin’ny tambajotra nanomboka ny 13 febroary teo, araka ny fampahafantarana nataony. Nohazavainy fa avy amina toerana teknika miisa roa eto Antananarivo sy Toamasina no fototry ny olana. Vantany vao niseho ny olana dia nampandrenesina ny ekipa teknika ka nandray fepetra avy hatrany ny orinasa. Miara-miasa akaiky amin’ireo manampahaizana manokana momba ny “cybersécurité” eo anivon’ny Orange Madagascar ihany koa ny orinasa amin’ny fanatanterahana ireo asa samihafa ireo. Am-perinasa tanteraka ny ekipa amin’izao fotoana hamerenana tanteraka ny tolotra rehetra, raha ny fanazavana hatrany.
Fanadihadiana
Nandraisana andraikitra ny vaovao niparitaka tamin’ny internet. Manao ny fanadihadiana rehetra izy ireo hamaritana marina ny zava-misy sy ny mety ho tompon’andraikitra amin’izany. Na izany, manentana ny mpanjifa ho mailo sy miantso ny rehetra hanaraka ny vaovao marina avoakan’ny Orange Madagascar ny orinasa. Nohamafisiny fa zava-mateti-pitranga ny olana toy izao, lasibatra ihany koa ireo orinasa sy fikambanana samihafa maneran-tany. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny famaritana ny olana, ary ny mamerina haingana ny tolotra. Ankoatra izay, mitohy ny asa ary ho ampahafantarina hatrany ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Henintsoa




