Madagascar Mozarteum – Mozika klasika : Hanatanteraka seho roa ny Choeur Maestria

Tafiditra ao anatin’ireo hetsika hoenti-mampivelatra ny mozika klasika, mikarakara fampisehoana an-tsehatra roa ny Madagascar Mozarteum. Ny Choeur Maestria kosa no hanatanteraka izany.

Fampisehoana voalohany hiarahana amin’ny Choeur Maestria, ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny Alliance Française An­ta­nanarivo, Andavamamba. Ta­fiditra ao anatin’ny « 25 ème Dimanche Classique » karakarain’ny Madagascar Mozar­teum. Hohirain’izy ireo amin’izany ny sanganasan’ireo an­drarezin’ny mozika klasika maneran-tany, tahaka an-dry W.A. Mozart, G. Puccini, F. Lehar, E. Morricone.
Ny talata 24 marsa ma­nomboka amin’ny 1 ora tolakandro, mbola ity Choeur Maestria tarihin’i Lala Tiana Robline ity ihany no hampanakoako ny sanganasan’ireo andrarezina iraisam-pirenena ireo, ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Anisan’ ny fandaharam-potoana « 167 ème Concert Classique de Midi », karakarain’ny Mada­gascar Mozarteum ihany.
Anisan’ny tanjona tratrarin’ny Madagascar Mozarteum ny hivelaran’ny mozika klasika any amin’ny Malagasy tsirairay. Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny ezaka ataon’ny Choeur Maestria. Io fifamenoana io no anisan’ny hisongadina eny an-tsehatra amin’ireo fampisehoana roa ireo. Tafaray samy manana traikefa matanjaka ao anatin’ny sehatra iandraiketany avy. Manamafy io ny filamatry ny Choeur Maestria « Mitamba­tra, satria, mamondrona (mam­pivondrona) ny mozika ».
… Fantatra fa iray amin’ireo soa lehibe hoentin’ny mozika klasika ny fanokafana ny vavahadintsain’ny olombelona. Mandray andraikitra lehibe amin’izany ny fampiasana ny zavamaneno misy tadiny. Ho an-dry zareo Amerikanina, mozika klasika isaky ny maraina no henoin’ny zaza sy ny ankizy mialoha ny handehanany mianatra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: