Fitsarana: Nofoanana ny IST ho an’ireo olona 11 voakasika

Olona 13 no namoahan’ny minisiteran’ny Atitany tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara (IST), afakomaly. Nofoanana indray anefa ny an’ny 11 amin’ireo, omaly, araka ny taratasy navoakan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.

Araka ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, ny alatsinainy 16 marsa teo, olona 13 no namoahana tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasi­kara (IST). Anisan’izany ny tale jeneraly teo aloha teo anivon’ny Vondrona Axian; i Assanein Hiridjee; ny tale jeneralin’ny orinasa Ocean Trade, i Moustafa Hiridjee; ny mpitantana ny orinasa “Quin­caillerie 2000”, ny avy amin’ny Vondrona Filatex, i Yavar­houssen. Teo koa ny kandidà ho ben’ny Tanàna avy amin’ny antoko Tim, tao Antehi­roka, tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo, Raharinisa Vonjiniaina; ny Contrôleur général de la Police misotro ronono teo anivon’ny minisiteran’ny Filami­nam-bahoaka teo aloha, Razafindrazaka Emmanuel atao hoe Bolo. Eo koa ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Alasora teo aloha, Ramiarin­jatovo Marc, izay tale jenera­lin’ny Escam amin’izao fotoana izao; ny mpiasan’ny ladoany, i Holy Hanitra; ny loholon’i Madagasikara teo aloha, i Lambert Erich Besoa; ny ben’ny Tanàna, Antananarivo Re­nivohitra, teo aloha, Ramia­ramanana Patrick; ny depiote tsy miankina Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Geor­ges na Liva Rason, voafidy tao amin’ny distrik’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Miam­py ny mpiambina akaiky ny filoha teo aloha, Rafearivo Irisoa Josea Narindra ary ny talen’ny fikirakirana ny fitarainana teo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny kolonely Rakotomamonjy Simon Pa­trick.
Namoaka taratasy ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Razafindralambo Didier Alban Andriamahazo­noro, omaly, fa nofoanana indray ny tsy fahazoana mi­voaka ivelan’i Madagasikara, ho an’ireo olona 11 fa ny mpiambina akaiky ny filoha teo aloha, Rafearivo Irisoa Josea Narindra sy ny kolonely Rakotomamonjy Patrick ihany no voatazona.

R. Nd.

Partager sur: