“Aza irotorotoana ny fikaonandoham-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ ny Vondron’ny manampahaizana momba ny fifidianana na ny Groupe des experts nationaux (Gen), Dr Bruno Rakotoarisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Ankadivato, omaly. Ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao hirosoana amin’ny hoe fanovana na fanavaozana izany. Mety tenenina hoe malalaka be ny fotoana, ka tokony hatao isan-tsehatra ny fikaonandoha mba tsy hianjerana amin’ny fanaovana torapo. Mila fandinihana lalina, ohatra, ny sehatry ny fahasalamana. Toy izany koa ny fanabeazana. Hatramin’izao, tsy fantatra hoe aiza ho aiza ny dingana efa vita aminn’ny fikaonandoham-pirenena raha misy ny fandaharam-potoana. Tsy fantatra ho aiza ho aiza izay? Ilaina ny fanarahana dingana. Tsy fantatra mazava ny hoe fikaonandoham-pirenena: inona ny ambangovangony? Tsy tokony hirotorotoana koa ny fifidianana. Ampy ny 24 volana hirosoana amin’ny fanovana na fanavaozana. Ny fikaonandoham-pirenena no tokony hamaritra ny hoavin’ny firenena.
Ny fisian’ny tetezana no hoe tetezamita, araka ny fanazavany. Tsy nahomby ny Repoblika sy zavatra rehetra tao anatiny dia miampita na mifindra amin’ny Repoblika manaraka. Tsy hoe tokony hifindra Repolika fotsiny amin’izany, fa mila hovaina ny rafitra. Nefa ny natao: ny olona no soloina, fa mijanona ny rafi-pitantanana. Izay no mahatonga ny hoe manao tetezamita dia mirodana. Satria tsy voavaly izay tena notakiana. Raha tena jerena lavitra, ny zavatra notakiana tany amin’ny tolona 1972, mbola izao iainana amin’izao. Mbola tohizina hatrany ny rafitra nentin’ny mpanjanatany, fa ny olona no novaina. Izao no vokany…
R. Nd.




